Romans 16

1Ankiniko aminareo i Foiby anabavintsika, izay mpanompon’ny fiangonana any Kenkrea, 2mba handraisanareo azy ao amin’ny Tompo. Ataovy izany amin’ny fomba mendrika ireo mpino, ary manatreha azy amin’izay olana mety hilainy ny fanampianareo. Fa izy tenany ihany koa dia lasa mpanampy ny maro, ary ny tenako ihany koa.

3Manaova veloma an’i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin’i Kristy Jesosy, 4izay nahafoy ny ain’izy ireo ho an’ny aiko. Misaotra azy ireo aho, ary tsy izaho ihany, fa ireo fiangonana rehetran’ny Jentilisa ihany koa. 5Manaova veloma ny fiangonana izay ao amin’ny tranon’izy ireo. Manaova veloma any amin’i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr’i Asia ho an’i Kristy.

6Manaova veloma an’i Maria, izay niasa mafy ho anareo. 7Manaova veloma an’i Androniko sy Jonia, havako akaiky, ary niara-nigadra tamiko. Malaza eo anivon’ireo apostoly izy ireo, izay tao amin’i Kristy talohako ihany koa. 8Manaova veloma an’i Ampliato, malalako ao amin’ny Tompo.

9Manaova veloma an’i Orbano, mpiara-miasa amintsika ao amin’i Kristy, sy Staky, malalako. 10Arahabao Apela, ilay ankasitrahana ao amin’i Kristy. Arahabao ireo izay ao amin’ny tokantranon’i Aristobolo. 11Manaova veloma an’i Herodiona, havako. Manaova veloma an’ireo izay ao amin’ny tokantranon’i Narkisa, izay ao amin’ny Tompo.

12Manaova veloma an’i Tryfena sy Tryfosa, izay miasa mafy ao amin’ny Tompo. Arahabao Perysa malala, izay niasa mafy tao amin’ny Tompo. 13Manaova veloma an’i Rofosy, izay voafidy tao amin’ny Tompo, ary ny reniny sy ny reniko. 14Manaova veloma an’i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, ary ireo rahalahy izay miaraka amin’izy ireo.

15Manaova veloma an’i Filologia sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olimpa, ary ireo mpino rehetra miaraka amin’izy ireo. 16Mifanaova veloma amin’ny fifanorohana masina. Ireo fiangonan’i Kristy rehetra dia manao veloma anareo.

17Ankehitriny mamporisika anareo aho, ry rahalahy, mba hihevitra ny momba ireo izay mahatonga ny fizarazarana sy ny fanafintohinana. Izy ireo dia mihoatra lavitry ny fampianarana izay noraisinareo. Mialà lavitra azy ireo. 18Fa tsy manompon’i Kristy Tompontsika ny olona toy ireny, fa ny kibony manokana ihany. Amin’ny teny malefaka sy mandoka no amitahan’izy ireo ny fon’ny tsy manan-tsiny.

19Fa ny ohatrareo amin’ny fankatoavana dia tafita any amin’ny tsirairay. Noho izany, mifaly aho, ny aminareo, fa tiako mba ho hendry amin’izay tsara ianareo, ary tsy hanan-tsiny amin’izay ratsy. 20Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana eo ambanin’ny tongotrareo afaka fotoana fohy. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Tompontsika Jesosy Kristy.

21Timoty, mpiara-miasa amiko, dia manao veloma anareo, sy Losio, Jasona ary Sosipatro, havako. 22Izaho, Tertio, izay nanoratra ity epistily ity, dia manao veloma anareo ao amin’ny Tompo.

23Gaio, ilay mpampiantrano ahy sy ny fiangonana manontolo, dia manao veloma anareo anareo. Erasto, mpitam-bola ao amin’ny tanàna, dia manao veloma anareo, miaraka amin’i Koarto ilay rahalahy. 24[Fanamarihana: Ny fandikana taloha tsara indrindra dia manala ity andininy ity. (Jereo ny Romana 16: 20). and 24: “Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’ny Tompontsika Jesosy Kristy. Amena.”]

25Ary ny voninahitra dia ho Azy izay mahavita mampijoro anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an’i Jesosy Kristy, araky ny fanambarana ny misitery izay notazonina ho tsiambaratelo ela be tany aloha tany, 26kanefa nambara ankehitriny, ary tamin’ny alalan’ny bokin’ny faminaniana no nampahafantarina tamin’ny firenena rehetra, araka ny didin’Andriamanitra mandrakizay, ho fankatoavana ny finoana.

27Ho an’ilay Andriamanitra tokan’ny fahendrena, anie ny voninahitra mandrakizay, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Amena.

Copyright information for PltULB